ISBN-13: 9780620493963 / Malagasy / Miękka / 2011 / 104 str.
Eto Madagasikara dia mbola tsy tafiditra amin'ny fiainam-pirenena rehetra ny teny malagasy. Ao amin'ny haino aman-jerim-pirenena dia tsy mahalana ny fahenoana ny nahita-fianarana mampifangaro ny teny frantsay sy malagasy (manao vary amin'akofa), rehefa manazava hevitra. Ny taratasim-panjakana ifanakalozan'ny Ministera ao amin'ny Governemanta, ireo taratasy alefan'ny Fanjakana Foibe aty amin'ny Masoivoho izany, dia matetika mbola amin'ny teny Frantsay. Sao dia tsy mafy fototra ny firenena noho ny tsy fitandroana ny teny Malagasy?Sao dia izay no isan'ny mahatonga ny savorovoro politika eto Madagasikara hiverimberina?